Fandriampahalemana

Antsirabe Mamaky trano hatramin’ny zaza tsy ampy taona


  • Talata 13 Oktobra 2020

Zazalahy miisa efatra, eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 20 taona no tra-tehaky ny polisy avy namaky trano tao amin’ny fokontanin’ Ivory Antsirabe.

 

 


 Ny 08 oktobra lasa teo no nahatrarana azy ireo tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany maraina nandritra ny fisafoana nataon’ireo polisy miasa any Vakinankaratra. Tsy afa-nitsoaka intsony izy ireo vokatr’izany. Fitaovan-dakozia, entam-barotra, rano fisotro amin’ny tavoahangy sy tavoahangy-na toaka ary akoho maromaro no tratra teny amin’izy ireo. Tsy niandry ela izy telo lahy ireto fa teo noho eo ihany dia nitsotra ny marina ka fantatra fa « épicerie » sy tranon’olon-tsotra no nanaovan’izy ireo izao asa fandrobana izao. Noraisin’ny sampan-draharaha misahana ny zaza tsy ampy taona ao Antsirabe araka izany ny fanadihadiana ireto jiolahy ireto. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo no nahafantarana fa misy mpividy entana halatra mampaniraka azy ireo hanao izao asa ratsy izao. Nokarohina ihany koa ity farany ka tratra. Natolotra ny fitsarana ny 09 oktobra teo ka naiditra am-ponja voanjimaika ireo tovolahy ampy taona miisa roa sy ilay mpividy entana halatra. Ilay ankizy roa lahy tsy ampy taona kosa nalefa any amin’ny toerana fanarenana ireo zaza tsy ampy taona nania any an-toerana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT