Fandriampahalemana

Antsirabe II Dahalo roa matin’ny zandary, iray hafa naratra mafy


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao amin’ny kaominina Alakamisy-Ambano, distrikan’Antsirabe faharoa ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo.

 Omby niisa 7 no lasan’ireo dahalo. Raha ny fantatra dia niisa 12 izy ireo no tonga nanafika tao an-toerana, izay nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy. Toy ny mahazatra, poa-basy sy horakoraka no ataon’ireo dahalo raha vao tonga ka tsy misy sahy mivoaka ny fokonolona. Vao lasa ireo dahalo dia nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana miadidy iny faritra iny ny fokonolona ary vetivety dia tonga izy ireo. Natao ny lamina ary napetraka ny sakana isan-karazany tany amin’ny RN 34, tao Ampahatrimaha saingy tsy tratra ireo dahalo, hoy ny GPHC Damy Bevahiny, kaomandin’ny Brigady Andranomadio. Niroso tamin’ny fampitam-baovao tamin’ny mpitandro ny filaminana mety holalovan’ireo dahalo ny tao Antsirabe. Ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 5 ora dia tratran’ny fokonolona sy ny zandary tao amin’ny kizo iray tao Vatolahy, kaominina Alakamisy-Marososona ireo dahalo. Hitan’izy ireo ny mpanaradia ka nanaovany vela-pandrika. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’izy ireo sy ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona. Tamin’io fotoana io no nahavoa ireo dahalo niisa 2, izay maty tsy tra-drano sy iray hafa naratra mafy saingy nentin’ireo namany nitsoaka. Tafaverina ireo omby 5 tamin’ireo 7. Mbola karohina ireo omby roa satria azo antoka fa tsy nahatondra omby intsony ireo dahalo nandositra. Nohamafisin’ny kaomandin’ny brigady Andranomadio fa ilaina ny fampandrenesana faran’izay haingana azy ireo raha misy trangan-javatra miseho mba ahafahana mandray fepetra tahaka ity niseho tany Alakamisy-Marososona ity hisian’ny vokatra toy izao.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT