Fandriampahalemana

Antsirabe Efa miakatra an-tanàn-dehibe ny dahalo


  • Zoma 03 Novambra 2017

Tsy an-tsaha tsy an-tanàn-dehibe intsony ny asan-dahalo fa efa manafika ny renivohitra mihitsy.

 

Vao tsy ela akory no nisian’ny fanafihana dahalo tao amin’ny fokontany Fiadanana dia lasibatra indray ny tao Andrangy, Antsirabe voalohany ihany koa. Ny alin’ny talata hifoha alarobia no nitrangan’ny fanafihana. Omby niisa 6 no fantatra fa lasan’ireo dahalo. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no tonga ireo dahalo, izay tsy fantatra mazava ny tena isany raha ny nambaran’ny mponina. Vao niditra ny tanàna ireo dahalo dia nanapoapoaka basy ka tsy nisy sahy nivoaka ny mponina ka nalain’ireo dahalo mora foana ireo omby niisa 6. Rehefa lasa ireo dahalo dia nifamory ny mponina ka nanao ny fanarahan-dia. Rehefa niditra tao amin’ny kaominina Belazao, tsy lavitra ny fokontany Andrangy dia navelan’ireo dahalo ny omby iray. Hatramin’ny alarobia sy alakamisy dia mbola any am-panarahan-dia ny fokonolona. Mampametra-panotaniana ny maro moa ity kaominina Belazao ity satria ny dian’ny omby very manodidina an’Antsirabe dia saika miditra ao amin’io kaominina io avokoa kanefa tsy hita izay hivoahany. Anisan’ny toerana lasibatry ny fanafihan-jiolahy matetika ny fokontany Andrangy.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT