Antsapanimahazo, Faratsiho

3 lahy nangalatra vary 11 gony sy tapany


  • Zoma 31 Mey 2024

Vary 11 gony sy tapany no nararaotina lehilahy miisa 3 nangalarina rehefa nandeha niandry faty

ny tompon'ilay trano, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria omaly. Tany Antsapanimahazo, Faratsiho, ny alin'ny 28 mey lasa teo no nitrangan’izany, hoy ny fanazavana. Voalaza fa niaraka tamin'ny sarety mihitsy izy ireo. Efa nodoran'izy ireo ny gony nisy ireo vary mba tsy hahafantaran'ny tompony azy. Nametraka fitoriana ny tompon'ny vary very. Voasambotra izy ireo rehefa nandeha ny fanadihadiana. Niampy 2 lahy izy 3 lahy ireo. Ny iray mpanaraka akaiky izay tany alehan'ny tompom-bary sady mandefa sms. Ny iray kosa no mpaniraka sy mpanome ny andro sy fotoana mahamety ny halatra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT