ANTSAPAIMAHAZO FARATSIHO

Lela-vola 17 tapitrisa Ar lasan'ny jiolahy


  • Alatsinainy 02 Febroary 2026

Manao ny hataony ny jiolahy

amin'izao fotoam-pahavaratra izao. Tokantrano miisa roa no indray lasibatra afak'omaly Sabotsy 31 Janoary alina nifoha omaly Alahady 01 Febroary tany Avaratsena Avaratrakolahy kaominîna ambanivohitr'Antsapanimahazo, distrikan'i Faratsiho Tamin'ny 11 ora alina tany ho any no nitrangan'izany hoy ny vaovao azo ka ny tokantrano iray nahazoan'ireo olon-dratsy 10 tapitrisa Ar raha 7 tapitrisa Ar tao amin'ny tokantrano iray. Jiolahy miisa 7 izy ireo no nanao.ilay asa ratsy niaraka tamin''ny antsy no sady nanapoaka basy. Vehivavy iray moa no voalaza ho naratra teo amin'ny handriny raha tsy nisy ny aina nafoy. Niezaka nanara-dia ihany ireo mpitandro ny filaminana nandritra izany saingy voafafan'ny ranon'orana dia ny dian'ireo jiolahy.
Pati
Légende : Nokoronranin'ireo dahalo tahaka izao ireo trano nalalovany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT