Fandriampahalemana

Antsalovana Lehilahy 50 taona tsy an’asa, tratra namaky trano


  • Alarobia 14 Jona 2023

Lehilahy iray 50 taona no tratra namaky trano teny Antsalovana ny 10 jona lasa teo.

Tratra ambodiomby mihitsy ilay ranamana io rehefa mbola variana niketrika sy nikenonkenona ny asa ratsy hataony nefa nisy nahita. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy teny Antaniavo ity farany nanaovana fanadihadiana ka fantatra tamin’izany fa tsy an’asa izy nefa mamelom-bady aman-janaka. Be adidy ihany koa nefa tsy manan-komena ka lasa manatevin-daharana ireo mpangalatra. Natolotra ny fampanoavana ny 12 jona teo moa ity olon-dratsy ity kanotanana amponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora. Tsiahivina moa fa saika tsy an’asa avokoa ireo olona tratra mangalatra sy manendaka eto amintsika amin’izao ankoatra ireo efa mpamerin-keloka.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT