Antsakambahiny Manjakandriana

Voasambotra ireo namono ramatoa 71 taona


  • Talata 19 Desambra 2023

Vehivavy lehibe eo ho eo amin'ny 71 taona no hita faty tao an-tranony,

fokontany Antsakambahiny, kaominina Ambonivohitr'i Manjakandriana ny 11 desambra 2023 teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Rehefa nampandre ny kaomisarian’ny filaminam-bahoaka misahana ny distrikan'i Manjakandriana ny tomponandraikitra teny an-toerana sy ny fianakavian'ny mana-manjo dia nidina avy hatrany teny an-toerana nanokatra ny fanadihadihana ary tsikaritra tamin'izany fa tena nampiahiahy tokoa ny fomba nahafaty ity renim-pianakaviana ity. Noho ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon'ny polisy dia fantatra ary tra-tehaka ilay tovolahy nahavanon-doza ny sabotsy teo. Voasambotra ihany koa ny tovolahy iray nahatrarana ny entana halatra izay tratra teny Ambodivoara Ambohimangakely. Ny 18 desambra 2023 no natolotra ny fampanoavana eny amin'ny tribonaly Anosy ny raharaha. Amin'izao akatoky ny fety izao dia manentana ny rehetra ho mailo hatrany, hanome vaovao marim-pototra, ary indrindra hiantso tsy misy hatak'andro ny mpitandro filaminana raha misy toe-javatra mampiahiahy ny polisim-pirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray mikasika ity ramatoa nisy namono tao an-tranony ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT