Fandriampahalemana

Antsahavaribe Vohemar Olona telo matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Talata 18 Aogositra 2020

Vehivavy roa sy lehilahy iray no niara-namoy ny ainy, niharan’ny fitsaram-bahoaka tany amin’ny Kaominina Antsahavaribe Distrika Vohemar. Voatonona ho mpisoloky, manome fanafody fampatoriana toy ny « valium » ny olona iantranoany izy ireo avy eo mangalatra lavanila.

 

 

Tezitra ny olona ka nisambotra azy ireo, ary dia niafara tamin’izao fitsaram-bahoaka namoizana ain’olona izao. Olona miisa valo no voasambotry ny zandary taorian’ny fidinana tany an-toerana. Anisan’izany ny mpampiantrano sy ny mpiray tsikombakomba tamin’ireo olona telo niharan’ny fitsaram-bahoaka ireto, ary ny tompon’antoka tamin’io fitsaram-bahoaka io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT