Fandriampahalemana

Antsahamanitra Maty voatifitry ny polisy ilay mpanendaka nitondra basy


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Tena efa tsy menatra intsony ireo mpanendaka eto amintsika na dia amin’ny andro atoandro aza miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy.

Mpanendaka iray nanao izany fihetsika mampihoron-koditra izany no lavon’ny balan’ny polisy nanao fanamiana sivily omaly maraina teny Antsahamanitra. Mbola saika hanohy ny asa ratsiny ity farany nandritra izany no nanosika ireo polisy hampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy mba ho entina hanakanana ka nihafara tamin’ny fitifirana ilay jiolahy . Efa maro moa ny olona nitondra takaitra teny amin'iny faritra Antsahamanitra iny noho ny hafitsok'ity jiolahy ity izay miaraka amin’ny basy sy antsy mihitsy. Mila mailo hatrany ny rehetra noho izany. Mety mbola misy namany mihaodihaody mantsy any ho any.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT