Fandriampahalemana

Antsahakely-Ambohidrapeto Mpangalatra no manjaka mandritra ny « couvre-feu »


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Mila ho isan’andro no andrenesana vaky trano sy halabotry raha ny tatitra hita amin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook.

 

 

 

 

  Ny mahagaga aza dia arakaraka ny andrarana ny fivezivzena amin’ny alina na ny « couvre-feu », anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao indray no mampirongatra ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Teny Antsahakely Ambohidrapeto Distrika Antananarivo Atsimondrano izao, dia fiara anakiroa no nisy namaky ny alin’ny talata hifoha ny omaly alarobia 15 jolay. Lasa avokoa ny « autoradio », « Subwoofer » ary ampli tao anaty fiara. Tena kinga sy havanana satria tao anatin’ny fotoana fohy, antsasakadiny teo no nanaovan’ny mpangalatra ny fakana ireo zavamaneno sy kojakoja tao anaty fiara. Efa dila ny mpangalatra vao taitra ny tompony. Sary tamin’ny « caméra de surveillance » sisa no nahitana fa nisy namaky ny fiara.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT