Fandriampahalemana

Antoko politika MMM Nanome fotodrafitrasa zandary ao Vakinakaratra


  • Zoma 24 Jona 2022

Notanterahana ny 22 jona teo tao amin’ny kaominina Ambatomena, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, ny fanolorana “poste avancé”

ho an’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana. Fotodrafitr’asa izay fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana avy amin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga ary ny solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe II no nahafahan’ireo vahoaka nisitraka izany, hoy ny fampitam-baovao. Trano vaovao ahitana birao miisa 7 sy efitrano fatoriana miisa 7 ho an’ireo zandary miasa ao no natolotra. Tonga tany an-toerana nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny antoko politika MMM, Hajo Andrianainarivelo, sy ny loholon’I Madagasikara voafidy teto Antananarivo. Efa ela, hoy ny filohan’ny MMM, no nanasa hoe tongava ny ben’ny tanana saingy raha tsy niala tamin’ny toerako aho angamba dia tsy tanteraka izany. Misaotra an’Andriamanitra fa afaka nandeha teto Ambatomena indray, hoy izy. Ny faniriana dia mba handry fahalemana i Ambatomena ary ho tamana aty koa ireto havantsika zandary izay avy nananganana fotodrafitrasa ireto ka dia atolotray 3 mirahalahy amin’ny anaranay am-pitiavana be izany, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo.
J. Mirija
Legende: Hajo Andrianainarivelo, filohan’ny MMM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT