Fandriampahalemana

Antohomadinika Tratra ilay tovolahy mpamatsy « héroïne »


  • Talata 08 Martsa 2022

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava- mahadomelina Anosy ny 04 martsa lasa teo tokony tamin’ny 12 ora atoandro teny amin’ny faritra Ankaditoa/Antohomadinika ny tovolahy iray 26 taona rehefa nivarotra héroine.

 Nandray ny andraikiny avy ny polisy tamin’ny fijerena ny zava-misy. Tao amin’ny trano fonenany no tratra ity lehilahy iray ity. Mbola nahitana héroine milanja 6.96 g niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasa amin’izany toy ny Seringue miisa 05 sy fandanjana 01 tao aminy . Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa efa nandritra ny fotoana ela no nitsindronana zava-mahadomelina ity lehilahy ity. Niato kely izy nanomboka ny volana desambra 2021 ka izao niverina izao indray. Nitsiry tamin’izany ny hevitra ny hivarotra sy hamatsy iny faritra Antohomadinika iny ka izao tra-tehaky ny Polisy izao. Eny an-toerana hatrany ny ividianany ny héroine, jifaina 55.000 ariary ny 1grama ; tsinjarainy ho 5 sachet ka amidiny 15.000 ariary ny 1grama . Sarangan’olona maro no mila izany ao aminy. Natolotra ny Fitsarana omaly ny tovolahy ka niditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ilay rangahy tratra niaraka tamin'ny heroine sy ny fitaovana nampiasainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT