Fandriampahalemana

Antohomadinika Tratra ilay mpanendaka poketram-behivavy


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Vehivavy iray 23 taona handeha hamonjy fodiana ny 10 aogositra lasa teo no voaendaka teny Antohomadinika.

 

Narahina lehilahy iray moramora avy aoriana izy ka raha vantany vao varimbariana dia nosintoniny tampoka ny poketrany izay nisy finday sy vola. Nirifatra nitsoaka ilay mpanao ratsy taorian’izany. Niezaka ny niantso vonjy ilay vehivavy ka nandritra izany mihitsy izy no nifanehitra tamin’ireo polisy nanatanteraka ny asa teny amin’ny manodidina ka noraisim-potsiny ilay mpanendaka. Efa tafaverina amin’ny tompony ilay poketra nisy vola sy finday. Nentina avy hatrany eny amin’ny paositry ny polisy CSP7 ilay tovolahy mpanendaka natao fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT