Fandriampahalemana

ANTOHOMADINIKA Tratra i Benaivo sy i Safidy, mpanendaka ikoizana


  • Zoma 17 Mey 2019

Tratran’ny polisy avy ao amin’ny CSP4, ny alarobia 15 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, teny Antohomadinika i Benaivo sy i Safidy anisan’ireo mpanendaka tena hikoizan’ny mponina eny an-toerana.

 

 

 

Araka ny fantatra, mpanendaka efa tratra saingy tafatsoaka teo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana i Safidy sady efa nigadra. Tsy afa-nikofoka intsony izy tamin’ity indray mitoraka ity taorian’ny angom-baovao azon’ny polisy. Nahare tamin’ireo tsara sitrapo ireto farany fa mihaodihaody mitady haza eny amin’ny toby fiantsonan’ny taksibrosy mihazo an’Ambatondrazaka eny Antohomadinika izy roalahy ka nanao fisafoana moramora ny mpitandro ny filaminana. Tena tratra ambodiomby saika hanao ny asa ratsiny mihitsy izy ireo ka tsy afa-nihetsika intsony.  Anisan’ny voasokajy ao anatin’ny faritra mena ny tanànan’Antohomadinika ankehitriny ka  ilana fitandremana fatratra. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy roalahy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT