Fandriampahalemana

Antohomadinika Manendaka sady mamono mahafaty ireo olon-dratsy


  • Alakamisy 30 Jona 2022

Tena faritra mena amin’ny asa fanendahana ny eny Antohomadinika. Tsy vitan’izay very fananana ireo lasibatra fa mbola voavono ihany koa toy ny nahazo ny lehilahy iray nandalo teny an-toerana ny marainan’ny 25 jona lasa teo.

Nifanena tamina tovolahy 32 sy 23 taona ny lehilahy tamin’io andro io. Mpanendaka anefa ireto farany ka sady nosintoniny ny kitapon’ilay lehilahy no nodakany mafibe ihany koa mba hianjera. Nenjehin’ny polisy avy hatrany izy roa lahy ka tratra tsy lavitra teo ny iray izay nitondra ilay entana halatra, tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro, raha tafaporitsaka kosa ilay namany iray. Tsy nitsahatra nikaroka anefa ny polisy ka tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro no voasambotra koa ny iray rehefa nahazoana angom-baovao. Tafaverina soa amantsara tamin’ny tompony ny entany raha natao fanadihadiana kosa izy roalahy ary efa nalefa eny am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpanendak’olona eny Antohomadinika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT