ANTOHOMADINIKA I.V.O

Olona 4 naiditra am-ponja


  • Talata 17 Febroary 2026

noho ny fivarotana sy fidorohana rôrô

Taorian'ny angom-baovao voarain'ny Sampandraharaham-paritry ny Filaminam-bahoaka misahana ny fandikan-dalàna ara-toekarena Analamanga dia olona efatra, ahitàna lehilahy telo sy vehivavy iray, no voasambotra tamin’ny herinandro lasa teo, teny Antohamadinika I.V.O. Fantatra fa ireto andian’olona ireto no mpivarotra sy mpamatsy rôrô ao Antahomadinika. Nandritra ny fisamborana azy ireo dia nahitàna fonosana rôrô miisa 80, izay efa vonona ho amidy teny aminy. Tratra nandritra izany ihany koa ary natao porofo teo anatrehan’ny fampanoavana ireo fitaovana fidorohana io zava-mahadomelina tena manimba ny tanora io. Fantatra fa efa mpamerin-keloka ny sasany amin’izy ireo amin’ny fivarotana ity zava-mahadomelina ity. Natolotra ny Fampanoavana ny 09 febroary teo ireo voasambotra ary nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa.
Pati
Légende : Ireo olon-dratsy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT