Fandriampahalemana

Antohomadinika, Antanimena, Analakely Miasa vao maraim-be ireo mpandidy poketra sy mpanendaka


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Lehilahy 2 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 ny sabotsy faha 21 martsa 2020 teo tetsy Antohomadinika rehefa avy nanendaka vehivavy iray.

 

 

Ny alakamisy faha 19 martsa 2020 teo dia naharay taratasy fitarainana avy ao amin’ny fokontany 67 ha Avaratra Atsinanana sy ny ao amin’ny faritra FTA II, noho ny fisiana asan-jiolahy izay miseho saika ho isan'andro eny amin’izy ireo. Fantatra fa lehilahy miisa valo no manao izany asa ratsy izany amin’ireo toerana ireo indrindra vao mangiran-dratsy sy rehefa ora firavan’ny mpiasa amin’ny hariva. Mitondra sabatra sady mandratra ireo olona endahiny ihany koa ireto jiolahy ireto. Manoloana izany dia nanokatra fikarohana avy hatrany ny Polisy, ka ny sabotsy faha 21 martsa teo no voasambotra teny antohomadinika ny 2 tamin’ireo olon-dratsy rehefa avy nanendaka vehivavy iray izay nahazoan’izy ireo vola 600.000 ariary. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky izy ireo fa mpanao asa fanendahana, ary anisan’ny nanafika sekoly tsy miankina iray teo 67ha Avaratra Atsinanana ny faha 10 sy faha 12 martsa lasa teo. Nilaza ihany koa izy ireo fa manataka poketran’olona eny Antohomadinika sy Antanimena ary Analakely no fanaony manomboka ny 04 ora ka hatramin’ny 06 ora maraina eo, amin’ny fotoana izay mahabesaka olona maika handeha hivarotra na hamonjy toeram-piasana miditra vao maraina be. Fantatra nandritra ny fanadihadiana moa fa efa mpamerin-keloka avokoa ireto roa lahy ireto satria dia efa nifonja teny Antanimora ny taona 2017 sy 2019 teo noho ny antony halatra sy herisetra ary vono sy ratra niniana natao. Efa eny am-pelatanan’ny fitsarana ny raharaha.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT