Antohibe Ambohidratrimo

Vehivavy vao 23 taona tratra hariva, nisy namono


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Vehivavy iray mipetraka eny Antohibe Ambohidratrimo, vao 23 taona monja, manam-bady, manan-janaka vavikely

vavy kely vao 6 taona monja no hita faty nisy namono omaly maraina, araka ny vaovao niparitaka omaly. Fianakaviana akaikin’ny mpanao gazety Gascar Fenosoa, ary izy no isan’ny nanaparitaka ny trangan-javatra mampalahelo. Miasa eny Ankadimbahoaka izy io raha ny fanampimpanazavana, niasa izy afak’omaly, ka tratra hariva. Nisy ny fanazavana azo fa tamin’ny 6:30 harivan’io alatsinainy io dia izy mbola niantso ny zokiny vavy izay miara-mipetraka am-dry zareo hoe : ity laharana ity no hiantsoanareo ahy fa somary taraiky aho, ary mbola naka ny laharan’ny vadiny hantsoiny rehefa akaikikaiky izy, raha ny fanazavana. Nandrasana tsy tonga, nandrasana alina ihany ny andro, ny orana avy be,... dia nandeha nivoaka tany ilay vadiny, nakeny amin'ny “arrêt bus” fialàny eny Ambohidratrimo fa tsy nahita azy, ka nody fotsiny, hoy hatrany ny fanampim-baovao. Nantsoina ihany koa ny rafozany eny Antanimena fa namaly hoe: tsy nandalo taty izy. Indrisy anefa fa omaly maraina be, tamin’ny 5 ora, nisy mpitaom-biriky nandalo no nahita azy teo amin’ny tani-mangahazo, tsy dua lavitra loatra ny misy an-dry zareo, efa tsisy aina intsony, araka ny fampitam-baovao. Nidina hatreo amin'ny lohaliny ny patalohany. Mangana be ny firifany. Nivoaka rà ny sofiny. Very daholo ny peratra teny aminy, ny “collier” volafotsiny, ny poketrany,… raha ny vaovao voaray. Rehefa nojeren'ny dokotera dia hita fa nanohitra ny olon-dratsy izy ary tsy voaolana, hoy hatrany ny tatitra, izany hoe: saika naolana izy. Omaly tolakandro moa no natao fizahana na “autopsie” teny amin'ny HJRA ny razana. Zanaky ny anadahin-drenin’ny mpanao gazety voalaza anarana etsy ambony moa izy rah any fanamarihana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany eo anatrehan’ny voina nitranga. Henjana ny tsy fandriampahalemana, izay hanaovana antso avo sy hanairana hatrany ny mpitandro filaminana.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT