Fandriampahalemana

Antoha Ambilobe Nahitana fatin-dehilahy iray efa tapa-doha


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Taorian’ilay zazavavy kely vao dimy taona monja nisy nanolana dia namono tao Ambilobe dia fatin-dehilahy iray indray no hita tao amin’ny Fokontanin’Antsoha,

 Ambodimanga omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany. Nofatorana ny tanànan’ity lehilahy ity raha efa tapaka nokapaina tamin’ny antsibe ihany koa ny lohany. Nahitana dian’antsy  maromaro ihany koa ny  kibony no sady goaka. Tsy lavitra  ity razana ity anefa no nisy ilay bajaj fitaovam-pitaterana hitadiavany vola  isan’andro  mandeha mitatitra entana any ambanivohitra izay marihina fa tsy nisy nokitihina na dia kely aza. Olona sendra nandalo no nahita ny razana raha araka ny vaovao azo ka  nampandre ny mpitandro ny filaminana. Raha araka ny fanazavan’ny vadin’ny maty moa dia tsy nody  Itompokolahy afaka omaly alina, raha tsy mpanao izany izy. 48 taona ny lehilahy raha miisa dimy kosa ireo zaza naterany. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ny raharaha.

.

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT