ANTETEZANA

ANDRANOTAPAHANA


  • Zoma 01 Martsa 2024

Lehilahy miisa 03 no lavon ' ny balan 'ny Polisy tetsy Antetezana /

Andranotapahana ny 28 Febroary teo rehefa nangalatra sy nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy. Ny harivan 'io tetsy Andohatapenaka raha tsiahivina dia Polisin 'ny BC1 namita iraka no nahatsikaritra olona nitondra moto niharan ' ny asa ratsy. Nosakanan ' ireo jiolahy ilay lehilahy ary nalainy an-keriny ny moto noentiny. Nandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana raha vao nahita ilay tranga. Nitsoaka niaraka tamin 'ny moto roa nihazo ny lalana Ambohitrimanjaka kosa ireo mpanao ratsy raha vao nahatazana ny Polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka nizotra ny lalana manitsy hivoaka any Mahitsy izy ireo. 100m niala ny fiviliana teo Antetezana no nanajanona ny moto ireo jiolahy ka namoaka basy ary nitifitra ireo Polisy nanara - dia. Raikitra ny fifanjevoana ka nandritra izany no nahalavo ny jiolahy miisa 03. Mbola nahitana sabatra lava lela ihany koa teny aminy. Marihina fa moto miisa 02 halatra avokoa no noentin ' izy ireo nitsoaka izay efa azo ka tafaverina amin ' ny tompony.
Pati
Legende : Ilay moto halatra sy ilay basy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT