ANTEHIROKA

Ravan'ny zandary ny tambajotrana mpangalatra


  • Alakamisy 05 Martsa 2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

ao Antehiroka noho ny fisian'ny trangana vaky trano, halatra anaty fiara, fanendahana sy halatra miaro herisetra. Ny 23 Febroary teo dia niainga tamina fitarainana voaray mikasikana halatra tao anaty fiara ny zandarimaria izay nahaverezana speaker sy finday ny 21 Febroary lasa teo.Roa andro aty aoriana dia hita ilay finday sy ny mpampiasa azy. Finday novidiana 3 alina ariary. Niroso lalina ny zandarimaria ka fantatra ny mpivarotra ary nosamborina. Izy no namaky ny fiara ary fantatra ihany koa fa ekipa maromaro izy ireo no mpanao ratsy ao anatin'ny Kaominina Antehiroka sy ny faritra manodidina. Anisan'ireo ekipa nanao ny fanendahana miharo herisetra ihany koa ireto olon-dratsy ireto. Hataony mahita faisana ireo mpiasa avy nirava hariva satria arahin'izy ireo amin'ny toerana mangina ary robainy avy eo. Ny fisavana ny trano fonenan'izy ireo no nahitana karazan'entana marobe azo tao anaty halatra sy fandrobana tamina toerana samihafa. Ankoatra ireo Dimilahy voasambotra mpanao asa ratsy dia nalaina hatao famotorana ihany koa ireo olona mpividy sy mpandray entana halatra azon'ireo jiolahy.
Pati
Légende : Ireto ry zalahy mpanao ratsy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT