Fandriampahalemana

Antaninarenina Zaza tsy ampy taona roa tratra nangarom-paosy


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Zazalahy kely 13 sy 15 taona izay mbola samy tsy ampy taona no voasambotry ny Polisy tetsy Antaninarenina omaly alahady 16 aprily tokony tamin’ny 06 ora sy sasany maraina rehefa nangarom-paosy.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy olona voaharom-paosy teny amin’ny zaridainan’ Antaninarenina tamin’io omaly vao maraina io. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny findainy sy ny karapanondro ary ny vola teny aminy ka lasa nidodododo nanatona ny polisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny izy mba nitaraina. Nilaza ilay lasibatra fa tadidiny ny endrik’ireo mpangarom-paosy. Nanao ny fisafoana sy fitadiavana ireo olon-dratsy avy hatrany ny Polisy tamin’izany no nahatrarana ireto zaza tsy ampy taona ireto. Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia nahitana finday iray. Natolotra ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana avy hatrany izy ireo nanaovana fanadihadiana. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia ankizy mpatory an-dalana izy ireo ary tsy latsaky ny 30 isa ny manao io asa ratsy io isan’andro manodidina an’Analakely sy Anosy ary Antaninarenina. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ny mikasika izany.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy kely tratra teny Antaninarenina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT