Fandriampahalemana

Antaninandro Tratra ambodiomby ireo mpangalatra zava-pisotro sy elo be


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Tsy mandry fahalemana intsony ny tanana eto amintsika. Ankoatra ireo mpanendaka sy mpamono olona dia lehilahy miisa roa 43 taona sy 40 taona indray no fantatra fa nangalatra cageot,

fitoerana zava-pisotro sy zava-pisotro ary elobe teny Antaninandro ny sabotsy 03 jona teo. Tratra ambodiomby teo am-panaovana izany asa ratsy izany mihitsy izy roalahy ireo, hoy ny vaovao. Mbola tratra teny amin'izy ireo avokoa ireo entana halatra voalaza tetsy ambony noho izany. Avy hatrany dia noentina teny amin'ny Biraon'ny Polisy miasa eny an-toerana moa ireto farany ka fantatra fa olona tsy an’asa avokoa ary mivelona amin’ny fanabotriana ny mpiara-belona tahaka izao. Hiakatra fitsarana anio alatsinainy 05 jona etsy Anosy izy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT