ANTANIMIEVA MOROMBE

Lehilahy niasa teny an-tanimboly, nisy naka ny masony


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Lehilahy iray manodidina ny 50 taona indray omaly no fantatra fa nisy naka

ny masony roa raha iny izy mbola variana niasa teny an-tanimboly iny tany Antanimieva, distrikan’i Morombe. Raha araka ny fantatra dia efa niandry ity lehilahy ity efa ho roa maromaro ny fianakaviana saingy tsy niverina nody izy na efa tokony hisakafo atoandro aza. Nisy tamin’ireto farany noho izany no ohatra ny notsindrian-javatra ka lasa nijery io lehilahy io saingy indrindra fa vatana efa tsy nisy fofon’aina intsony no hitany. Efa tarehy nihosin-dra ihany koa no nifanatrika taminy narahin’ny masony roa efa tsy teo amin’ny toerany intsony. Hikiaka ny an’ilay fianakaviana nahita ny zava-nitranga saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Hamidin’ireo mpanao ratsy hatrany amin’ny 2tapitrisa Ar moa ny voamaso roa raha araka ny fantatra hatrany, antony mampahazo vahana ny vono olona mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Ity ilay Rangahy maty nalana voamaso tany Morombe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT