Fandriampahalemana

Antanimenakely Morondava Vehivavy roa tratra nanendaka


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Tsy mijanona amin’ny fanatahana poketran’olona intsony izao ny jiovavy fa efa miditra amin’ny asa fanendahana ihany koa.Vehivavy roa,32 taona sy 28 taona no tratran'ny polisy miasa ao amin'ny kaomisaria Morondava

nanendaka tao Antanimenakely Afovoany omaly 13 desambra tokony ho 10 ora sy sasany. Maro ny fitarainana voarain'ny eo anivon'ny biraon'ny Polisim-pirenena ao amin'ny kaomisaria Morondava manoloana ny harom-paosy sy sintomahery amin’izao ankatoky ny fety izao. Nisy araka izany ireo paik'ady natao hamongorana ireo tontakely. Vokany, tratra soamantsara izy mirahavavy ireto izay efa nitsoaka nandositra ny iray. Tsy menatra akory izy ireo nisaka ny kitapo nentin'ilay tovolahy, ka ny iray nanaraka avy aoriana raha naka zavatra tao anaty kitapo kosa ny iray. Rehefa azony izay nilainy dia miverin-dalana izy mirahavavy ary nitsoaka. Polisy manao fanamiana sivily no nahatsikaritra izany ka raikitra ny fifanenjahana. Nandositra ny iray fa ny iray kosa tra-tehaka tsy lavitra teo ka nentina nihazo ny birao avy hatrany. Nandritra ny fanadihadiana no nanoroan'ity farany ny toerana misy ilay namany ka nojerena tany ary voasambotra tao tokoa ny anaovavy. Vola mitentina 700 000 Ar no tratra tany amin'ity olon-dratsy ity izay an'ilay tovolahy voaendaka niaraka tamin'ilay kitapo kely tao anatin'ny kitapo lehibe .
Pati
Legende : Santionany amin’ireo jiovavy ao Morondava
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT