Fandriampahalemana

Antanimenakely Ampitatafika Nahitana fatim-behivavy voatsatok’antsy


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Nahitana fatim-behivavy voatsatok’antsy indray teny Antanimenakely Ampitatafika omaly maraina. Manodidina ny 50 taona mahery izy io raha ny fahitana azy.

Eo amin’ny kibony no ahitana io dian’antsy io antony miteraka ny fahasimban’ny razana haingana. Nahitana ra nivoaka ihany koa mantsy ny vavan’ity Renim-pianakaviana ity. Tsy mbola hita na fantatra moa izay fianakavian’ny maty koa hanaovana antso avo ho an’ireo izay sendra mahalala azy. Tombanan’ny manodidina ho novonoina tany ambadika tany moa ity Renim-pianakaviana vao natsipy teny an-toerana. Ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no hamaritra izany. Mbola mitohy hatrany araka izany ny tsy fandriampahalemana eny Ampitatafika. Vao andro vitsy lasa ihany koa mantsy izay no nisian’ilay Raim-pianakaviana mpanao cash point voatsatok’antsy tahaka izao raha naratra mafy ihany koa ilay zanany vavy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana voatsatok’antsy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT