Fandriampahalemana

Antaniavo Antohomadinika Voasambotra ilay mpangalatra finday nampiasa facebook


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Voasambotry ny Polisy ny PPA4 Antaniavo Antohomadinika izay nanao fisafoana ny marainan’ny sabotsy teo tao amin'ny fokontany III G Hangar Antohomadinika ilay mpanendaka finday teny 67 ha ny herinandro teo izay tsy

nisalasala nanao “Story” tao amin’ny tambazotra Facebook an’ity olona nendahany ity. Niteraka resabe tao anatin’ity tambazotran-tserasera ity moa mazava ho azy ny tranga niseho na tamin’ny fotoana nakan’ity olon-dratsy ity ny sariny ho anaty zoro fahatsiarovana ny tontolo andro na izay antsoina hoe “story” izay fa vao mainka nampitombo izany sy nahatsikaiky ny maro koa ny naha voasambotra azy tamin’iny sabotsy iny. Tetsy ankilany dia mbola nisy olon-kafa nilaza ho nahatratra olona nampiasa ny Facebookny nisy nangalatra hafa koa tamin’iny sabotsy iny ihany ary raha toa ka nosokajian’ny maro ho havendranana no nataon’ilay iray teo alohany dia nosokajiana ho havendranana avo roa heny kosa no nataon’ilay mpangalatra faharoa ity satria dia tena fanelezana na ilay antsoina hoe “publication” teo amin’ilay facebookn’ilay nanaovany asa ratsy mihitsy indray no nataon’ity voalaza ho tratran’ny tompony tamin’ny sabotsy teo ity. Andrasana moa ny valin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana manomboka amin’ity anio ity.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT