Antaniandro Ampanotokana

Vaky ny fasana, nanjavona ny razana 12 isa


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Nitrangana vaky fasana indray tao Antaninandro, Fokontany Bemasoandro kaominina ambanivohitr’Ampanotokana

ny Zoma 22 Septambra lasa teo. Mpiandry omby nandroaka omby nikasa handeha hody no nahatsikaritra izany ka nampandre avy hatrany ireo mponina tao an-tanàna sy ny mpitandro filaminana. Rehefa nojerena tokoa ilay fasana dia voaporofo fa vaky ary tapitra voakirakira avokoa ireo razana tao anatiny. Taolam-balo tsy latsaky ny 12 isa no nanjavona tanteraka hoy ny vaovao. Karan-doha sy lamba sisa no niparitaka tao am-pasana vokatr’izany izay nmpahonena tokoa ny nijery azy raha araka ny vaovao voaray hatrany. Nifandrombonan'ny fokonolona narovana moa ity fasana ity mandram-piandry ny tompony izay fantatra fa efa tonga teny an-toerana. Efa tafakatra 6 moa hatreo ireo fasana vaky tao Ambohidratrimo tato anatin’ny iray volana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nibanakabe tahaka izao ilay fasana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT