Fandriampahalemana

Antanety Miarinarivo II Nodoran’ny jiolahy ny tanana, lasa avokoa ny omby


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Mirongatra ny asan-jiolahy any amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Jiolahy tsy latsaky ny 10 no fantatra fa niditra an-keriny

tao Mandrosoarivo sy Fenoarivokely, samy ao anatin'ny fokontany Antanety, kaominina ambanivohitra Miarinarivo II omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany. Nanapoaka basy sy nandoro ny trano avy hatrany izy ireo raha vantany vao niditra ny tanàna. Ny sasany koa namoaka ny omby tao am-bala izay fantatra ihany koa fa maromaro. Naharitra ora roa ireo dahalo no nanjaka tao amin’io tanana io raha araka ny nambaran'ireo tantsaha mpamokatra ao an-toerana hatrany. Tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ireto farany vao afaka nampandre nihetsika sy niantso ny manodidina saingy efa lasa ireo dahalo. Efa nisy moa ny fampahafantarana ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Miarinarivo nandritra izany narahina fanentanana ireo vatan-dehilahy rehetra mba hanao ny fanarahan-dia hahafahana manavotra ireo fananana kely sisa tavela. Very fanahy mbola velona tanteraka ireo tantsaha any an-toerana noho izany. Miezaka ny miompy sy mamboly hatrany mantsy izy ireo nefa raofin’ny dahalo ao anatin’ny indray mipy maso izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay tanàna avy nodoran’ny jiolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT