ANTANETY MAHAZAZA

Mpangalatra taom-paty roa maty voatifitra


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Lehilahy miisa 04 niloloha gony feno zavatra no nifanehitra tamin’ireo zandary

mpanao fisafoana tao Mahitsy ny Talata nifoha omaly Alarobia 17 Janoary alina tokony ho tamin’ny 12 ora tao Ambodidranomanga, kaominina Antanety Mahazaza. Rehefa nanaraka azy ireo ny zandary dia nirifatra nitsoaka niaraka tamin’ilay entam-be izy ireo ka tsy namelàn’ireo zandary raha tsy tratrany no sady nosavainy. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’iny lalana mizotra mankany amin’ny Monastera iny vokatr’izany. Nanapoaka basy ny iray tamin’ireo jiolahy. Tsy maintsy namaly kosa ny zandary ka lavo tamin’izany roalahy. Ireo namany roa hafa nitsoaka tsy hita ka mbola tsy tratra hatramin’ny omaly hariva. Taolam-paty no fantatra fa tratra tao anatin’ireo gony miisa roa nololoavin’izy efa-dahy saingy tsy mbola fantatra kosa ny toerana nakany azy. Mitohy ny fikarohana ireo namany sy ny fianakavian’ireo maty voaviravira.
Pati
Legende : Santionany tami’ireo taolam-paty tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT