Lehilahy miisa 08 no voasambotry ny sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina teto an-drenivohitra ny zoma 06 mey lasa teo rehefa nivarotra rongony sy héroïne.
Manoloana ny fiparitahan’ny rongony maherivaika eto an-drenivohitra dia miara-miasa akaiky ny vahoaka sy ny Polisin’ny STUP. Maro ireo angom-baovao azo ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy. Tao Anosivavaka Ambohimanarina ohatra dia olona 04 no tratra teo am-pifohana sy teo am-pivarotana héroïne. Héroïne miisa 20 kokoty, sy seraingy fitsindronana 01 ary rongony 01 fonosana no tra-tehaka tamin’izany. Fantatra tamin'ny fanadihadiana fa efa ela izy no nivarotra rongony mahery vaika teny amin’iny faritr’Ambohimanarina iny. Voalazany fa 2 500 ar no fividianany ny kokoty 01 ary hamidiny 3 000 ar indray izany avy eo. Ankoatra izay dia olona miisa 03 efa mpamerin-keloka, ary vao avy nivoaka ny fonja vao volana vitsy izay no voasambotra ny zoma teo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Fitaovana fifohana heroine ihany koa no tratra tao amin’ny tranon’izy ireo. Lehilahy iray monina eny Amboanjobe ihany koa no voasambotra ny zoma teo ihany rehefa nahatratrarana rongony miisa 200 fonosana teny aminy.
Tsiahivina moa fa ny fiparitahan’ny rongony tahaka izao no antony mampirongatra ny halatra sy ny fanolanana eto amintsika. Rehefa tsy mahita vola hividianana rongony mantsy ny sasany dia ireo vilany sy vilia ao an-trano na lamba miahy eny amin’ny tady no haripany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 8 mianadahy tratra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.