Fandriampahalemana

Antananarivo renivohitra Mitombo isa ireo vehivavy lasa mivarotra rongony


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Ankoatra ny asa fivarotan-tena dia mihamaro ihany koa amin’izao ireo vehivavy lasa mivaro-drongony.

Vehivavy iray 20 taona no sarona teny amoron'ny lalam-by Andrefan'ambohijanahary ny 03 janoary teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro rehefa nivarotra rongony. Raha araka ny fantatra dia ity tovovavy ity mihitsy no mpamatsy zava-mahadomelina ireo olona eny amin’iny faritra iny ka ao an-tokantranony izy no manao izany. Misy olona maromaro mifamezivezy izay andiana tovolahy ny ankamaroany no hita teny akaikin’ny tranony. Rongony 78 fonosana sy 300grama rarany kosa no sarona tao aminy. Eny Ambohimanarina no nambarany fa hakany ireo rongony ireo ary isaky ny 2 andro izy no maka izany. Tsinjarainy amin’ny fonosana izany avy eo ary hamidiny amin’ireo olona tonga ao aminy. Marihina anefa fa faritra iva ny any Andrefan’Ambohijanahary. Olona sahirana ny ankamaroan’ny mponina, antony mampahazo vahana ny fanolanana, ny fifamonoan’ny mpivady, ny herisetra eny amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy sy ireo rongony namidiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT