Fandriampahalemana

Antananarivo renivohitra Misy zaza tsy ampy taona lasa mpivarotra rongony


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Olona miisa 11 ahitana vehivavy 2 no nosamborin’ny polisy ny Polisy miasa ao

 

 

 

amin’ny Sampan-draharaha miady amin’ny zava-mahadomelina Anosy nandritra ny hetsika izay notanterahan’izy ireo. Nirongatra sy nahazo vahana tanteraka mantsy ny fivarotana sy fifohana rongony ary fitsindromana heroine tato ho ato. Teto an-drenivohitra dia toerana telo no fantatry ny polisy fa misy izany toy ny teny Antohomadinika, IIIG Hangar ary IVO. Nanao be midina teny an-toerana ny Polisy miasa amin’izany sehatra izany ny 21 desambra teo ka olona 11 no voasambotra. Ny 03 nivarotra rongony, mpamatsy sy mpampitsindrona héroine raha mpifoka sy mpitsindrona kosa ny ambiny. Nahatrarana fonosana héroine roa izay milanja 1, 57g tany amin’izy ireo. Teo ihany koa ny rongony 06 fonosana ; briquet miisa 22 hifohana rongony sy héroine ; séringue miisa 03, capsule miisa 02 (fandorana ilay fangarona héroine alohan’ny hitsindromana azy) ary taratasy fampiasan’izy ireo hamonosana ilay rongony sy héroine. 17 ka hatramin’ny 29 ny salan-taonan’izy ireo izay natolotra ny fampanoavana omaly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT