Antananarivo

Mirongatra ny hala-botry


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Lehilahy iray no tratran'ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Kaomisarian'ny Boriborintany faha 6

niaraka tamina "batteries" ana fiara miisa roa afak’omaly talata 11 febroary tokony ho tamin'ny 2 ora maraina teny amin'ny Fokontany Ambatolampy. Tsy misy taratasy ary tsy voazavany ny fiavian'ireto "batteries" ireto ka notanana natao fanadihadiana tao amin'ny biraon'ny Polisy ilay ranamana. Nandritra izany no nahafantarana fa halatra ireto "batteries" ireto.Lehilahy iray hafa ihany koa tratran'ny Polisy avy ao amin'ny CSP 2 teo am-pangalarana fitaovan-dakozia ny 10 Febroary 2025 hariva teny Antsahameva. Fitaovan-dakozia maro samihafa no nangalariny tamin'izany.Ankoatra izay dia lehilahy iray hafa noraisim-potsiny tao an-tokotanin'olona mifefy teny Mahazoarivo ny alin'ny 10 Febroary 2025 ihany. Nampiahiahy ny mponina ny fihetsiny ka niantso Polisy izy ireo. Tonga haingana ny Polisy avy ao amin'ny CSP 2 ka dia noraisim-potsiny ity lehilahy ity. Tsiahivina moa fa vokatry ny tsy fisian’ny asa avokoa no antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Voatery manaotao foana ny sasany vokatr’izany mba hamelomany ny ankohonany.
Pati
Legende : Ireto izy 3 mirahalahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT