Fandriampahalemana

Antananarivo Mameno fonja ny mpifoka sy mpisera rongony


  • Alarobia 01 Jona 2022

Lehilahy iray, 43 taona omaly no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny PPA3 Ilanivato rehefa nitazona rongony tao an-tokantranony.

Monina eny Alasora ity lehilahy voasambotra ity, ary mpivarotra no asany. Tamin’ny fotoana nisamboran’ny Polisy azy dia rongony miisa 03 fonosana lehibe no tratra teny aminy. Niaiky izy fa azy ireo rongony ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly talata ny lehilahy ary efa naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina moa fa ireo mpivarotra rongony tahaka izao no tena manome fakam-panahy ireo tanora manodidina azy. Mody omeny mba hanandrana ny sasany eny am-piandohana ary asainy mividy amin’izay avy eo rehefa tena miankin-doha eny fa na dia ireo ankizy mbola mpianatra aza.


Efa ho isan’andro raha faran’ny kely dia olona 2 no voasambotra fa nitondra, nivarotra na nifoka rongony; tsy misy resaka firy fa vantany vao mandalo eny amin’ny fampanoavana tonga dia miditra am-ponja vonjimaika.Raha herinandro izany dia 12 farahakeliny eto Antananarivo no miditra am-ponja noho ny resaka rongony.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT