ANTANAMBAO, AMBOHIDRABIBY

Olona 5 mianaka nodorana velona natao sorona


  • Alakamisy 04 Desambra 2025

Zava-doza no nitranga tany amin'ny

Fokontany Antanambao, kaominîna ambanivohitr'Ambohidrabiby, distrikan'Avaradrano. Ankohonana iray misy olona 5 mianaka no nisy nandoro velona tao an-tokantranony. Andro alina no nanaovan'ireo mpanao ratsy izany ka may avokoa izy 5 mianaka. Na izany aza ilay ankizy iray taizan'ity fianakaviana ity no niangaran'ny vintana ka namoy ny ainy. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia ny Rain'io zaza notaizana maty io no efa nandrahona matetika azy fa hanao sorona io.menaky ny ainy io. Tsy hita popoka izy taorian'ny nahamay ny tranon'izy 5 mianaka ny faramparan'ny volana Septambra lasa teo. Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nahavanon-doza. Mikasika azy 4 mianaka kosa dia fantatra fa entana maro tao an-tokantranony no may kilan'ny afo raha naratra ihany koa izy ireo.
Nangonin'i Pati
Légende : Ilay zaza iray lasa sorona tsy fidiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT