ANTANAMANJAKA ANTSIRABE

Ramatoa iray naolana lehilahy


  • Alarobia 25 Febroary 2026

3 tao anaty katsaka

Tsy mety mitsahatra ny asa fanolanana eto amintsika. Renim-pianakaviana iray namboly teny an-tsaha maraina tao amin'ny fokontany Antanamanjaka, kaominina Ambonivohitra Antsirabe no nisy nanolana tao anaty katsaka. Andro vitsy lasa izay no nitrangan'izany teo akaikin'ny tetezan'i Sahalombo amin'ny lalam-pirenena faha-34. Raha loharanom-baovao azo dia tovolahy kely iray manondidina 17 taona eo ho eo no nanolana io Renim-pianakaviana io ka niantso vonjy ity farany. Avy hatrany dia notsindronin'ilay tovolahy tamin'ny zava-maranitra teo amin'ny tendany izy vokatr'izany. Nitsoaka avy eo ilay tovolahy ary dia tratran'ireo fokonolona teny an-toerana ka nentin'ireo mpitandro ny filaminana.Ilay Renim-pianakaviana voaolana kosa nentin'ny Bajaj nihazo ny Hopitaly Lehibe CHRR Antsirabe. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa efa niteraka 03 ilay Renim-pianakaviana izay nisy nanolana io ary fa miisa 03 ireo tovolahy nanolana azy, saingy ilay tovolahy kely 17 taona no tratra farany teo. Efa notazonin'ny Zandary ao Andranomadio io tovolahy io amin'izao fotoana izao. Aleo tsy mandeha irery intsony raha mbola azo hatao na tovovavy na efa Renim-pianakaviana hisorohana ny loza tahaka izao.
Nangonin'i Pati
Légende : Vory olona marobe tahaka izao tao an-tanana nahita ilay Ramatoa voaolana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT