Fandriampahalemana

Antalamohitra Ambohijanahary Roalahy nahatrarana rongony 157 fonosana sy rarany 1 kg


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Tovolahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy ny 04 jolay lasa teo tokony ho tamin'ny 02 ora sy sasany teny Antalamohitra Ambohijanahary rehefa nivarotra sy nifoka rongony.

Nahazo fitarainana avy amin'ny mponina teny an-toerana ny Polisy misahana ny fidorohana zava-mahadomelina fa misy tovolahy iray mivarotra rongony eny Antalamohitra Ambohijanahary. Nidina ifotony ny Polisy araka izany, ka tovolahy roa 24 taona sy 34 taona no tratra tamin’izany. Tao anatina trano iray tetsy Ambohijanahary niaraka tamin'ny rongony 157 fonosana sy rongony rarany 1Kg izy ireo no tratra. Olona mandalo no mpamatsy ireo entana ireo amin'izy ireo ary alainy 50.000ar ny iray sachet amin'io rongony io. Tsinjarainy anaty fonosana izany avy eo ary hamidiny 500 ar ny fonosana iray. Efa ho 9 volana izy roa lahy ireto no nivarotra rongony ary fantatra fa sady mifoka ihany koa. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT