Fandriampahalemana

Anosy Voaendaka izy mianaka avy nandevina


  • Zoma 02 Jolay 2021

Mpianaka avy nandevina no nisy nanendaka teo akaikin’ny biraon’ny Antenimierandoholona Anosy afak’omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva

.Jiolahy miisa 6 no nanendaka azy ireo tamin’izany raha handeha hody eny Tanjombato. Lasan'iretsy voalohany tamin’izany ny kara-panondrom-pirenena sy finday ary vola. Nodarohany sy noratrain'izy ireo koa izy mianaka raha mbola nopotehan'izy ireo ny motony."Nijanona teo Anosy teo am-pitan'ny Sénat izahay mba hividy nem kinanjo nisy lehilahy 2 nila vaniny taminay izay lasa 6 tampoka teo, hoy izy mianaka. Tsiahivina moa fa vao tamin'ny taon-dasa no nisy talen'ny EPP matin'ny mpanendaka ihany koa teny Anosy, rehefa avy nanatitra antontan-taratasy tany amin'ny sefo ZAP lehibeny. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia nisy tamin’ireo olona nahita ny zava-nitranga nahazo azy mianaka ihany koa no mbola namono ilay raim-pianakaviana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT