Anosizato

Vehivavy nangalatra sô naratran’ny olona


  • Talata 09 Aprily 2024

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona mahery eo ho eo no fantatra fa naratran’ny olona

rehefa nangalatra sceau-n’olona iray teny Anosizato ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ity Renim-pianakaviana ity rehefa tratra fa noho ny hanohanana sy ny tsy fananana asa no nanosika azy hangalatra ilay sceau mba hividianany sakafo ho an’ny zanany. Betsaka ireo nangoraka azy noho izany ka nampitsahatra ilay fikasihan-tanana nefa tao koa no tezitra. Mbola misy mantsy hoy ny sasany ny asa azo hatao mba hidiram-bolakely hividianana sakafo ho an’ny zanaka toy ny sasa lamba, ny tsaka ranon’olona fa tsy voatery hangalatra tahaka izao. Navotsotr’ilay tompona sceau ity vehivavy ity noho izany rehefa voaanatra sy nahazo fampitandremana. Nambaran’ireo mponina eny Anosizato moa mirongatra fatratra amin’izao ny hala-botry eny amin’iny faritra iny vokatr’izay tsy fananan’asa mahazo ny olona izay.
Pati
Legende : Tsy mandry fahalemana intsony koa ny ety Anosizato !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT