Fandriampahalemana

Anosizato Tratran’ny polisy ilay mpanolana vehivavy bevohoka


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Ela ny ela fa tratran’ny polisy ihany ilay jiolahy iray tamin’ny telo nanendaka mpivady handeha hody alina. Nodarohan’izy ireo ilay raim-pianakaviana ka rehefa tsy nahatsiaro tena dia nalefany tany anaty tatatra.

 

 

 Ilay renim-pianakaviana nitondra vohoka roa volana kosa nentin’izy ireo tany amin’ny mangingina ary naolany ary  mbola nalain’izy ireo koa ny firavaka sy ny vola tany amin’izy mivady. Nitory tany amin’ny polisy izy mivady ary nanao ny famotorana ny mpitandro ny filaminana. Fantatra ny toerana nipetrahan’ireto olon-dratsy ka nidina ifotony avy hatrany ny polisy saingy efa nitsoaka izy ireo. Nitohy ny fikarohana ary tra-tehaka teny am-pampiadiana akoho teny Anosizato ny iray. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity ary fantatra fa mpirahalahy avokoa izy ireo no nanao io asa ratsy io. Mitohy ny fanadihadiana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT