Fandriampahalemana

Anosipatrana Basy kilalao no nampiasain’ilay mpamaky trano


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Lehilahy iray no nosamborin’ny Polisy miasa ao Ilanivato omaly 05 aprily teny Anosipatrana tokony ho tamin’ny 01 ora maraina rehefa avy namaky trano.

Naharay antso an-tariby tamina olona tsara sitrapo ny avy ao amin’ny paositry ny polisy Ilanivato milaza fa misy olona telo mihanika trano iray eo akaikin’ny trano fonenan’izy ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nisy ka vantany vao nahataza avy lavitra ireo Polisy ny jiolahy dia nandositra avy hatrany ka ny tompon-trano efa naratra no novantanin’ny Polisy. Araka ny nambaran’ny tompon-trano izay niharan’ny fanafihana dia niditra ankeriny tao an-trano izy ireo ary nanambana basy ny tompon-trano. Nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana ka izay no nahatratra ity lehilahy ity. Marihana fa mbola tratra teny aminy ihany koa ny basy kilalao iray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT