Fandriampahalemana

ANOSIBE Zaza tsy ampy taona no namaky fitoeran’entana


  • Talata 17 Janoary 2023

Fitoeran’entana ana tranom-barotra lehibe iray etsy Anosibe omaly alatsinainy 16 janoary no nisy namaky tamin’ny andro atoandro.

Tovolahy roa izay vao 17 taona ny iray no tratra ambodiomby nanao izany. Ny Polisin’ny « Service Anti-Gang » na ny SAG Anosy no nisambotra azy ireo rehefa naharay antso avy amin’ny tompon’ity tranombarotra iray ity. Tsy lavitra ilay tsenany mantsy io fitoeran’entana io. Telolahy moa izy ireo raha araka ny fantatra saingy tafatsoaka kosa ilay namany iray hafa izay tombanana ho mbola tsy ampy taona ihany koa. Natolotra ny sampana PMPM etsy Tsaralalana izy toalahy ireto nanohizana ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa saika mirona any amin’ny asa fanendahana sy famakiana trano tahaka izao ny ankamaroan’ireo zaza tsy ampy taona eto amintsika raha vantany vao miala amin’ny fianarany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT