ANOSIBE

Zaza 16 taona tratra nanendaka


  • Zoma 02 Febroary 2024

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpanendaka eny Anosibe, Boriborintany fahaefatra.

Tovolahy kely iray vao 16 taona monja omaly Alakamisy 01 febroary no saron’ny polisin’ny SAG teny an-toerana rehefa nanendaka. Maro ireo olona mifamezivezy eny amin’iny faritra iny raha tsiahivina no nihara’ny fanendahana sy sinto-mahery. Mitsoaka avy hatrany ireo mpanendaka rehefa mahazo ny zavatra ilainy. Manoloana izany dia nirotsaka an-tsehatra ny polisin’ny SAG.Natao ny fikarohana ka taoria’ny angom-baovao isan-karazany no nahafahana nisambotra ny iray tamin’ireo tontakely izay teny amin’ny manodidina ihany. Eny amin’ny faritra Anosipatrana moa izy no mipetraka saingy izao tra-tehaka nanatanteraka asa ratsiny teny Anosibe izao.Natolotra ny sampan-draharahan’ny PMPM Anosy ity raharaha ity noho ny mahazaza tsy ampy taona azy.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy kely tratra nanendaka teny Anosibe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT