ANOSIBE

Voasambotra ilay mpangaro-paosy, tafaverina ny finday


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Nihena iray indray ny mpangarom-paosy etsy Anosibe.

Lehilahy iray nangalatra finday tao an-tsena no voasambotry ny Polisin’ny Fifamoivoizana ny omaly Alarobia 06 Aogositra vao maraina. Araka ny fantatra dia lehilahy lehibe iray no lasibatra ny harom-paosy nataony. Tsikaritr’io lehilahy io anefa izany ka niantso vonjy izy ary nirifatra nandositra avy hatrany ilay olon-dratsy. Nahita izany ny Polisy iray ka nirotsaka nanenjika avy hatrany ka tsy lasa lavitra dia tratra ilay jiolahy. Naverina tamin'ny tompony teo ihany ilay finday nangalarina rehefa voamarina fa azy tokoa. Nentina tao amin’ny kaomisarian’ny Polisy Mahamasina hanaovana fanadihadiana kosa ilay mpangarom-paosy. Marihina fa mpangarom-paosy sy mpivaro-drongony ny ankamaroan'ireo tovolahy mameno ny fonjan'Antanimora amin'izao.
Pati
Légende : Finday iray no mety hidiran'ity tovolahy iray ity any am-ponja 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT