Fandriampahalemana

Anosibe Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpangala-jaza


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Aleo samy mailo tsara amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Tsy hay fantarina intsony mantsy ireo tranga mety hiseho ka mety hahazoan’ny sasany

vola hanaovany fety ankoatra ny fisolokiana sy ny fanendahana ary ny fanaovana sinto-mahery. Vehivavy iray omaly no tratra nangala-jaza teny Anosibe teny, Boriborintany fahaefatra. Raha araka ny vaovao niparitaka teny an-toerana dia zaza nandeha irery ity nalainy ity. Tsy notazoniny teny aminy anefa io zaza io rehefa nitomany fa nampitainy tamin’ny namany iray hafa, antony nahatsikaretan’ny fokonolona ny teti-dratsiny. Nisahotaka saika hamono azy ny fokonolona noho izany ka voatery naterina tao amin’ny Fokontany izy ho fiarovana ny ainy. Tsy vitsy mantsy ireo efa niantsoantso fitsaram-bahoaka. Nitohy tamin’ny fikarohana ny naman’ity vehivavy mpangala-jaza ity ny fokonolona taorian’izany
Pati
Legende : Ity tsara ambin’ny polisy ityailay vehivavy tratra nangala-jaza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT