Fandriampahalemana

Anosibe Nifoka rongony no sady nandratra olona izy roalahy


  • Talata 18 Aogositra 2020

Lehilahy roa no voasambotry ny polisin'ny boriborintany fahadimy ny 16 Aogositra lasa teo teny Anosibe Rond point tokony ho tamin'ny 9ora alina. Tratra nifoka rongony izy ireo ka olona nivoaka ny elakelan-trano avy teo akaikin'ny Supermaki no nahatsikaritra izany.

 

 

 Rehefa hitan'ireo olona ireo izy roalahy ireo dia namoaka antsy ny iray ka nanambana azy ary naratra mihitsy ny tanan'ny iray tamin'ireo olona nahita azy nifoka rongony. Polisy nanao fisafoana tamin'iny faritra iny no nahatsikaritra ny fihetsik'ireto roalahy ireto ka nosamborina avy hatrany izy ireo ary nentina teny amin'ny kaomisaria hanaovana fanadihadiana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT