Fandriampahalemana

Anosibe` Miafina eny akaikin’ireo mpitondra sarety mpanendaka


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Miafina eny akaikin’ireo mpitondra sarety miandry mpanjifa ivelan’ny tsena avokoa ireo mpanendaka eny Anosibe amin’ny ankapobeny.

 

 

 

 Tsy mitoby amina toerana iray anefa ireo sarety ireo raha araka ny fanazavan-dRandrianambinina Marcellin, lehiben’ny tsenan’Anosibe fa misy tonga eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra mihitsy, antony mahalasibatra hatrany ireto farany. Roa raha kely ny fitarainana momba ny fahaverezana finday, poketra…ivelan’ny tsenan’Anosibe isan’andro, antony tsy maintsy nandraisan’ireo tompon’andraikitra fepetra. Nisy araka izany ny fametrahana toerana manokana ho an’ny mpitondra sarety izay sady tsy mibahana ny arabe no sady tsy manakorontana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ihany koa. Efa nihena araka izany ireo mpanendaka eny Anosibe ankoatra ny ezaka efa hataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fitsirihana azy ireny eny amin’ny tobim-piantsonana. Nomarihin’ity lehiben’ny tsenan’Anosibe ity moa fa tsy mitsahatra ihany koa ny fanentanana ireo mpivarotra ao anatin’ny tsena amin’izao mba hametraka jiro atiny sy ivelan’ny tsena hisorohana ireo karazana fanararaotana mety hitranga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT