Tena mirongatra ny halatra moto amin’izao. Lehilahy miisa roa 33 taona sy 34 taona no saron’ny polisy teny amin'ny toeram-pivarotam-panafody Volahanta Anosibe
tamin’ny Sabotsy teo tokony ho tamin’ny 09 ora maraina rehefa nangalatra moto. Raha araka ny fantatra dia natosik’izy roalahy ity moto ity fa tsy nisy lakle ary tsy nanana aroloha koa izy ireo. Voatery nosakanan’ny polisy avy hatrany izy ireo ka rehefa nangatahina ny taratasy momba ilay moto dia tsy nisy teny amin'izy ireo. Teo no ho eo ihany dia noemtina teny amin'ny biraon'ny Polisy teny Mahamasina izy roa lahy miaraka tamin'ilay moto nanaovana famotorana. Fantatra nandritra izany fa moto efa nanaovana fanambarana fahaverezana tao amin'ny facebook ity moto ity ka avy hatrany dia nantsoina ho eny amin'ny birao ilay tompony. Voamarina taorian'izany rehefa tonga tao amin'ny biraon’ny ilay tompona moto niaraka tamin'ireo taratasin'ilay moto fa tena azy tokoa ilay kodiaran-droa. Hatolotra ny fampanoavana anio alatsinainy 12 septambra ihany koa izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra nanosika moto halatra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.