Fandriampahalemana

ANOSIBE Lehilahy 2 tratra nifoka rongony


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Lehilahy miisa 02, 29 sy 38 taona no saron’ny mpitandro ny filaminana nifoka rongony tamin’ny 10 ora sy sasany

maraina datin’ny 26 Oktobra 2023 lasa teo teny amin'iny faritra Anosibe Ziona iny. Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana vokatry ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny sinto-mahery eny an-toerana indrindra fa ny fisintomana vehivavy manao akanjo manaitaitra eny an-toerana. Tsy niandry ela fa nidina teny an-toerana ireo tompon’andraikitra, nanao ny fanaraha-maso sy ny fitsongoan-dia ka tra-tehaka teo am-pifohana rongony mihitsy izy ireo. Rehefa nosavaina izy roalahy dia mbola nahitana rongony miisa 8 fonosana . Araka ny fantatra dia novidiany 1.500 ariary tamin’ny olona nandalo ny fonosan-drongony 01.Efa mpifoka rongony izy ireo ary indray mandeha isan’anandro no manao izany. Iray volana teo izay no nidoroan ' izy ireo rongony. Efa notanana am-ponja vonjimaika moa izy roalahy ireto taorian’ny fanadihadiana natao azy.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

  • Fanafihana
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

mitam-piadiana mpiasan'ny Jovenna

Hijery ny tohiny
FTT